Numbers 31:47 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny antsasany izay an’ny Zanak’Israely no nanalan’i Mosesy iray isan-dimampolo, na olona na biby fiompy, ka nomeny ho an’ny levita mpitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nangalan’i Môizy iray isan-dimampolo io antsasany an’ny zanak’i Israely io, ka nomeny ny Levita izay miambina ny Fonenan’i Iaveh araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny anjara nomena ny Israelita dia nangalan’i Mosesy olona iray isaky ny olona dimampolo, ary biby iray isaky ny biby dimampolo; koa araka izay nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy dia nomeny ny Levita izay miandraikitra ny fanompoana momba ny Fonena-masin’ny TOMPO izany.
Malagasy Bible 1865
ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny antsasany izay an’ny Zanak’Israely no nanalan’i Mosesy iray isan-dimampolo, na olona na biby fiompy, ka nomeny ho an’ny levita mpitandrina ny anjara raharaha momba ny tabernakelin’NY TOMPO izany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy