Numbers 31:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia navahana tamin’ny fokon’ny Israely ny arivo isam-poko, izany hoe roa arivo sy iray alina, samy mitam-piadiana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa nakana arivo lahy isam-pokony ny isan’arivon’i Israely, dia lehilahy roa arivo sy iray alina voaoman-kiady.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy arivo lahy isam-poko notsongaina tamin’ny foloalindahin’i Israely, dia roa arivo sy iray alina izay vonon-kiatrika ady.
Malagasy Bible 1865
Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia navahana tamin’ny fokon’ny Israely ny arivo isam-poko, izany hoe roa arivo sy iray alina, samy mitam-piadiana.
malagasy
Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.