Numbers 31:50 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
koa nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana, haba, peratra fitombo-kase, kavina ary firavaka iambozonana, hanaovana fanavotana ho an’ny ainay eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa aterinay ho fanatitra ho an’i Iaveh kosa, ny firavaka volamena efa hitany avy, dia fehi-tanana, rojo madinika, masom-bolamena, kavina ary fehivozona hanaovana ny fanonerana ho anay eo anatrehan’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa izany no itondranay fanatitra ho an’ny TOMPO mba hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka eo anatrehany ho an’ny tenanay, dia ny firavaka volamena hitan’ny tsirairay avy toy ny rojo, haba, peratra, kavina ary ny haingom-bozona.
Malagasy Bible 1865
koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
koa nitondra fanatitra ho an’NY TOMPO izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana, haba, peratra fitombo-kase, kavina ary firavaka iambozonana, hanaovana fanavotana ho an’ny ainay eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy