Numbers 31:54 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka noentiny tao amin’ny tranolay fihaonana, ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony voarain’i Môizy sy i Eleazara mpisorona ny volamena tamin’ny tomponarivo sy tompon-jato dia nentiny tao amin’ny trano lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an’ny zanak’i Israely eo anatrehan’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia napetrak’i Mosesy sy i Elehazara mpisorona tao amin’ny Tranolay fihaonana ny volamena rehetra nomen’ny manamboninahitra miaramila, mba hahatsiarovan’ny TOMPO ireo Israelita.
Malagasy Bible 1865
Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia noraisin’i Mosesy sy i Eleazara mpisorona ny volamena nomen’ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka noentiny tao amin’ny tranolay fihaonana*, ho fahatsiarovana ho an’ny Zanak’Israely eo anatrehan’NY TOMPO.
malagasy
Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.