Numbers 32:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada dia nanana omby aman’ondry marobe. Hitany fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondriny ny tany Jazera sy ny tany Gileada.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zana-dRobena sy ny zanak’i Gada dia nanana biby fiompy be tokoa; ka nony hitany fa tany tsara ho fiandrasana biby fiompy ny tany ao Jazera sy ny tany ao Galaada,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nanana andiana biby fiompy marobe ny taranak’i Reobena sy ny taranak’i Gada. Rehefa hitany fa mety hiompiana tsara ny faritr’i Jahezera sy ny tanin’i Gilehada,
Malagasy Bible 1865
Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny taranak’i Robena sy ny taranak’i Gada dia nanana omby aman’ondry marobe. Hitany fa tany tsara ho fiandrasana omby aman’ondriny ny tany Jazera sy ny tany Gileada.
malagasy
[Ny nahazoan'ny firenen'i Robena sy Gada ary ny antsasaky ny firenen'i Manase zara-tany tao an-dafy atsinanan'i Jordana] Ary nanana omby aman'ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny tany Jazera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman'ondry io,