Numbers 32:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nirehitra tamin’ny Israely ny fahatezeran’NY TOMPO ka navelany hirenireny tany an-tany efitra efapolo taona izy ireo, mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh ka nataony nirenireny tany an’efitra izy ireo nandritra ny efapolo taona mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tezitra aoka izany tamin’ny Israelita ny TOMPO ka nampirenireny azy efapolo taona tany an-taniefitra mandra-pahalany tamingana izay rehetra nanao ratsy teo anatrehany.
Malagasy Bible 1865
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah.