Numbers 32:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha miala amin’ny fanarahana Azy ianareo dia hampaharitra ny fitoeran’ny Israely any an-tany efitra indray Izy; koa ianareo no handringanana izao olona rehetra izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha mandà tsy hanaraka Azy ianareo, dia mbola avelany atỳ an’efitra i Israely, ka dia ianareo no ho fototry ny fandringanana izao vahoaka rehetra izao.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy mety manaraka ny Teniny ianareo, dia hohalavainy ny fitoeran’ny Israelita atỳ an-taniefitra, ary ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazan’izao vahoaka rehetra izao ianareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha miala amin’ny fanarahana Azy ianareo dia hampaharitra ny fitoeran’ny Israely any an-tany efitra indray Izy; koa ianareo no handringanana izao olona rehetra izao.
malagasy
Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy ianareo dia hamela azy any an-efitra Indray Izy; ka dia ianareo no handringana izao olona rehetra izao.