Numbers 32:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny tenanay dia handray fiadiana haingana ka hilahatra hiady eo alohan’ny Zanak’Israely, mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika kosa dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny amin’ny mponina eo amin’ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
fa ny tenanay kosa dia vonon-kiady faingana handroso eo alohan’ny zanak’i Israely, mandra-pampiditray azy any amin’ny tany izay tsy maintsy hitoerany; fa ny zanakay no hitoetra amin’ny tanàna mimanda, noho ny amin’ny mponina amin’ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ary avy eo dia handray fiadiana faingana ka handeha eo alohan’ny Israelita mandra-panatitray azy any aminy, fa ny fianakavianay kosa hijanona ao amin’ny tanàna mimanda mba ho voaaro amin’ny mponina eto amin’ny faritany.
Malagasy Bible 1865
fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanàna mimanda noho ny mponina amin'ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny tenanay dia handray fiadiana haingana ka hilahatra hiady eo alohan’ny Zanak’Israely, mandra-pitondranay azy ho any amin’ny taniny; ary ny zanakay madinika kosa dia hitoetra amin’ny tanàna mimanda noho ny amin’ny mponina eo amin’ny tany.
malagasy