Numbers 33:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ireto avy no toerana nijanonan’ny Zanak’Israely, izay noentin’i Mosesy sy i Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta araka ny antokony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nitobian’ny zanak’i Israely nony nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, araka ny antokony avy, ambanin’ny fitondran’i Môizy sy i Aarôna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto avy ny lalana nalehan’ny Israelita rehefa niala tany Ejipta teo ambany fitarihan’i Mosesy sy i Aharôna izy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ireto avy no toerana nijanonan’ny Zanak’Israely, izay noentin’i Mosesy sy i Arona nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta araka ny antokony.
malagasy
[Ny nitobian'ny Zanak'Isiraely tany an-efitra] Ary izao no nandehan'ny Zanak'Isiraely, izay nentin'i Mosesy sy Arona nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta araka ny antokony.