Numbers 33:3 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Niala tao Ramesesa izy ireo tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Israely tamin’ny fahafahana tanteraka, teo imason’ny Ejiptiana rehetra,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Niala tao Ramsesa tamin’ny volana voalohany izy, tamin’ny andro faha-15n’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paka dia tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely teo imason’ny Ejiptianina rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Niala teo Ramsesa ny Israelita tamin’ny volana voalohany, andro faha-19. Ny ampitson’ny andro Paska voalohany no niaingan’ny Israelita amin-kalalahana teo imason’ny Ejiptianina rehetra.
Malagasy Bible 1865
Niala tao Ramesesa Izy tamin'ny volana voalohany, dia tamin'ny andro fahadimy ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany; nony ampitson'ny Paska no nivoahan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tanana avo teo imason'ny Egyptiana rehetra.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Niala tao Ramesesa izy ireo tamin’ny volana voalohany, dia tamin’ny andro fahadimy amby folo tamin’ny volana voalohany. Ny ampitson’ny Paska no nivoahan’ny Zanak’Israely tamin’ny fahafahana tanteraka, teo imason’ny Ejiptiana rehetra,
malagasy