Numbers 33:54 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Antsapaka no hizaranareo ny tany araka ny fianakavianareo avy. Ny maro an’isa dia homenareo zaratany bebe kokoa ary ny vitsy an’isa kosa dia homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’izay tondroin’ny antsapaka ho azy no ho anjarany. Araka ny fokon’ny razanareo no hahazoanareo zaratany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Filokana no hizarànareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo anjara loka bebe kokoa, ny vitsy isa homenareo anjara lova kelikely kokoa; ka izay ho azony amin’ny filokana no ho anjarany avy; horaisinareo ho fanananareo araka ny fokom-pianakavianareo avy izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Antsapaka no hizarànareo ny tany araka ny tarikareo avy; izay maro an’isa no homenareo zara tany bebe kokoa, ary izay vitsy kosa dia homenareo zara tany kelikely kokoa. Antsapaka ihany no hamaritana ny toerana hisy ny anjaran’ny tarika tsirairay; ary araka ny fokon-drainareo avy no hahazoanareo zara tany.
Malagasy Bible 1865
Ary filokana no hizaranareo ny tany araka ny fokonareo avy: ny maro isa homenareo zara-tany bebe kokoa, ary ny vitsy isa homenareo kelikely kokoa; samy ao amin'izay ivoahan'ny filokana ho azy no ho anjarany; araka ny firenen'ny razanareo no hahazoanareo zara-tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Antsapaka no hizaranareo ny tany araka ny fianakavianareo avy. Ny maro an’isa dia homenareo zaratany bebe kokoa ary ny vitsy an’isa kosa dia homenareo kelikely kokoa; samy ao amin’izay tondroin’ny antsapaka ho azy no ho anjarany. Araka ny fokon’ny razanareo no hahazoanareo zaratany.
malagasy