Numbers 33:55 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ny tany dia ho lay amin’ny masonareo sy ho tsilo amin’ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo ka handrafy anareo eo amin’ny tany izay onenanareo izy ireny;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo kosa ny mponina amin’ny tany dia ho tsilo amin’ny masonareo sy fitsindrona amin’ny lanivoanareo izay sisa tavela aminy. Ka ny fanao amin’ny fahavalo no hataony aminareo amin’ny tany honenanareo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa raha tsy roahinareo ny mponina rehetra amin’ny tany ao, dia ho lay amin’ny masonareo sy ho tsilo amin’ny tehezanareo izay olona sisa tavela ka hampijaly anareo eo amin’ny tany honenanareo.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin’ny tany dia ho lay amin’ny masonareo sy ho tsilo amin’ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo ka handrafy anareo eo amin’ny tany izay onenanareo izy ireny;
malagasy
Fa raha tsy roahinareo eo alohanareo ny mponina amin'ny tany, dia ho lay amin'ny masonareo sy ho tsilo amin'ny tehezanareo izay avelanareo hitoetra eo, ka handrafy anareo eo amin'ny tany izay onenanareo izy;ary hataoko aminareo izay nokasaiko hatao aminy.