Numbers 34:13 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia namepetra ny Israelita i Mosesy ka nanao hoe: –Izany no tany izay nandidian’ny TOMPO fa hozarainareo antsapaka ho an’ny foko sivy sy sasany.
Malagasy Bible 1865
Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandidy ny Zanak’Israely i Mosesy hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny antsapaka, dia izay andidian’NY TOMPO mba homena ny foko sivy sy ny antsasaky ny fokon’i Manase;
malagasy
Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;