Numbers 34:14 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
fa ny foko taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny foko taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zarataniny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa dia efa nandray ny zarataniny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Fa ny fokon’ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviany avy, sy ny fokon’ny zanak’i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon’i Manase efa nandray ny lovany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny foko robenita sy ny foko gadita ary koa ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa samy nahazo ny zara taniny,
Malagasy Bible 1865
fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
fa ny foko taranak’i Robena araka ny fianakaviany sy ny foko taranak’i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zarataniny, ary ny antsasaky ny fokon’i Manase koa dia efa nandray ny zarataniny.
malagasy