Numbers 35:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
na mamely olona amin’ny tanany noho ny fandrafiana ka mahafaty azy dia hovonoina ho faty ilay namely satria mpamono olona izy. Ny mpamaly ra no hamono azy rehefa mifanena aminy izy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
na namely tanana azy, noho ny fankahalana, ka nahafatesany azy izany, dia hohelohin-ko faty izay namely, fa mpamono olona; ary ny mpamaly ra no hamono azy rehefa hifanena aminy izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
na filana ady no namelezana totohondry olona ka nahafaty azy, dia hatao maty ilay mpamely satria mpandatsaka aina; ny mpamaly faty no hamono hahafaty ny mpandatsaka aina, vantany vao tafahaona aminy.
Malagasy Bible 1865
na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
na mamely olona amin’ny tanany noho ny fandrafiana ka mahafaty azy dia hovonoina ho faty ilay namely satria mpamono olona izy. Ny mpamaly ra no hamono azy rehefa mifanena aminy izy.
malagasy
na mamely amin'ny tànany noho ny fandrafiana ka mahafaty, dia hatao maty tokoa ilay namely; nahafaty olona izy; ny mpamaly rà no mahazo mamono azy, raha mihaona aminy izy.