Numbers 35:25 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovonjen’ny fiangonana ho afaka amin’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona ka hateriny indray ho ao amin’ny tanàna fialofana izay nalehany tamin’izy nandositra. Dia hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ny Mpisoronabe izay voahosotra tamin’ny diloilo masina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary hanafaka ilay nahafaty olona amin’ny mpamaly ra ny fiangonana, hamerina azy ho any amin’ny tanàna fialofana izay nandosirany, dia hitoetra ao izy, mandra-pahafatin’izay mpisorom-be voahosotra tamin’ny diloilo masina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Harovan’ny fiangonana amin’ny mpamaly faty ilay nahafaty olona, ka hateriny indray any amin’ny tanàna izay nialokalofany. «Hitoetra ao amin’io tanàna fialokalofany io ilay nahafaty olona tsy nahy mandra-pahafatin’ny mpisorombe izay voahosotra tamin’ny diloilo masina.
Malagasy Bible 1865
Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovonjen’ny fiangonana ho afaka amin’ny mpamaly ra ilay nahafaty olona ka hateriny indray ho ao amin’ny tanàna fialofana izay nalehany tamin’izy nandositra. Dia hitoetra ao izy mandra-pahafatin’ny Mpisoronabe* izay voahosotra tamin’ny diloilo masina.
malagasy
Ary hovonjen'ny fiangonana ho afaka amin'ny mpamaly rà ilay nahafaty olona, ka hateriny indray ho ao amin'ny tanàna fandosirana izay nalehany tamin'izy nandositra; ary hitoetra ao izy mandra-pahafatin'ny mpisoronabe izay voahosotra tamin'ny diloilo masina.