Numbers 35:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Raha misy vonoana olona dia hovonoina izay nahafaty rehefa noporofoin’ny vavolombelona maromaro; fa raha vavolombelona iray monja dia tsy ampy hanamelohana olona ho faty izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Raha misy olona nahafaty namana, dia ny filazàn’ny vavolombelona no hanamelohan-ko faty izay nahafaty olona, fa raha vavolombelona iray ihany kosa tsy ampy ny filazàny hanamelohana olona ho faty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Raha misy namono nahafaty olona, dia tsy azo helohina ho faty izy raha tsy noho ny filàzan’ny vavolombelona maro. Tsy hisy fanamelohana ho faty noho ny filàzan’ny vavolombelona tokana.
Malagasy Bible 1865
Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Raha misy vonoana olona dia hovonoina izay nahafaty rehefa noporofoin’ny vavolombelona maromaro; fa raha vavolombelona iray monja dia tsy ampy hanamelohana olona ho faty izany.
malagasy
Ny amin'izay rehetra mahafaty olona, dia hatao maty izay mahafaty, araka ny tenin'ny vavolombelona; nefa raha vavolombelona iray monja, dia tsy ampy hanameloka hahafaty olona izany.