Numbers 35:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny levita dia izao: Hatreo amin’ny mandan’ny tanàna ka hatrany amin’ny sisin’ny tany manodidina dia arivo hakiho.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny tany fiandrasam-biby momba ny tanàna homenareo ny Levita, dia ho arivo hakiho manodidina hatreo amin’ny mandan’ny tanàna avy eo ivelany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia dimanjato metatra miala avy eo amin’ny rindrin’ny tanàna amin’ny lafiny efatra.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny levita dia izao: Hatreo amin’ny mandan’ny tanàna ka hatrany amin’ny sisin’ny tany manodidina dia arivo hakiho*.
malagasy
Ary ny tany manodidina ny tanàna izay homenareo ny Levita dia izao: Hatramin'ny màndan'ny tanàna ka hatramin'ny faritry ny taniny dia arivo hakiho amin'ny lafiny efatra avy.