Numbers 35:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ny tanàna ianareo amin’ny lafiny atsinanana. Roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin’ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin’ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany. Izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Any ivelan’ny tanàna ianareo handrefy 2.000 hakiho amin’ny lafiny atsinanana, 2.000 hakiho amin’ny lafiny atsimo, 2.000 hakiho amin’ny lafiny andrefana, 2.000 hakiho amin’ny lafiny avaratra, ka dia ho ao afovoany ny tanàna. Izany no ho tany fiandrasam-biby momba ny tanànan’izy ireo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Handrefy faritra efamira ivelan’ny tanàna ianareo ka arivo metatra ny lafiny atsinanana, arivo metatra ny lafiny atsimo, arivo metatra ny lafiny andrefana ary arivo metatra ny lafiny avaratra; dia ho eo anivon’io faritra io ny tanàna. Izany no ho tanin’ny Levita manodidina ny tanàna.
Malagasy Bible 1865
Dia handrefy roa arivo hakiho eo ivelan'ny tanàna ianareo amin'ny lafiny atsinanana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny atsimo, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny andrefana, ary roa arivo hakiho amin'ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany; izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Handrefy roa arivo hakiho eo ivelan’ny tanàna ianareo amin’ny lafiny atsinanana. Roa arivo hakiho amin’ny lafiny atsimo, roa arivo hakiho amin’ny lafiny andrefana, roa arivo hakiho amin’ny lafiny avaratra, ary ny tanàna dia ho eo afovoany. Izany no ho taniny manodidina ny tanàna.
malagasy