Numbers 35:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny tanàna homenareo ny levita dia tanàna fialofana, enina izay ho fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna roa amby efapolo koa ambonin’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Ary ny tanàna homenareo ny Levita, dia ny tanàna fialofana 6, izay halaminareo handosiran’izay nahafaty olona; ary fanampin’izany dia homenareo tanàna hafa 42 koa izy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tanàna homenareo ny Levita dia ny tanàna enina fialokalofana, izay hataonareo fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna hafa 42 ihany koa.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny tanàna homenareo ny levita dia tanàna fialofana, enina izay ho fandosiran’izay nahafaty olona, ary tanàna roa amby efapolo koa ambonin’ireo.
malagasy
Ary izao no tanàna izay homenareo ny Levita: dia tanàna enina, fandosirana, izay homenareo handosiran'izay nahafaty olona, sy tanàna roa amby efa-polo koa.