Numbers 35:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny amin’ny tanàna izay homenareo avy amin’ny zaratanin’ny Zanak’Israely dia izay be no hanalanareo be ary izay kely no hanalanareo kely. Samy hanome tanàna ho an’ny levita izy rehetra araka ny zarataniny avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny zaratanin’ny zanak’i Israely hanomezanareo ireo tanàna ireo, dia izay manam-be no hangalanareo be ary izay manan-kely no hangalanareo kely; ka dia samy hanome ny Levita amin’ny tanànany araka ny lova noraisiny avy izy ireo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary momba ireo tanàna izay halainareo avy amin’ny tanin’ny Israelita, dia izay foko lehibe no hanalanareo maro kokoa, fa izay foko kely kosa dia hanalanareo vitsy kokoa; eny, samy hanome tanàna ho an’ny Levita araka ny zara tany azony avy ny foko tsirairay.
Malagasy Bible 1865
Ary ny amin'ny tanàna izay homenareo avy amin'ny zara-tanin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely, dia izay be no hanalanareo be, ary izay kely no hanalanareo kely: samy hanome tanàna ho an'ny Levita izy rehetra araka ny zara-taniny avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny amin’ny tanàna izay homenareo avy amin’ny zaratanin’ny Zanak’Israely dia izay be no hanalanareo be ary izay kely no hanalanareo kely. Samy hanome tanàna ho an’ny levita izy rehetra araka ny zarataniny avy.
malagasy