Numbers 36:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nanatona ireo loham-pianakaviana tamin’ny fokon’ireo taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’ireo taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’ireo lehibe, izay loham-pianakaviana tamin’ny Zanak’Israely hoe:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanatona niteny teo anatrehan’i Môizy sy teo anatrehan’ny lehibe, lohan’ny fokom-pianakavian’ny zanak’i Israely, ny loham-pianakavian’i Galaada, zanak’i Makira zanak’i Manase zanak’i Josefa. Hoy izy ireo hoe:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nisy nanatona an’i Mosesy sy ny filohan’ny foko israelita ireo taranak’i Jôsefa, dia ny loham-pianakaviana avy amin’ny tarik’i Gilehada zanakalahin’i Makira sady zafikelin’i Manase,
Malagasy Bible 1865
Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nanatona ireo loham-pianakaviana tamin’ny fokon’ireo taranak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, avy tamin’ny fianakavian’ireo taranak’i Josefa, ka niteny teo anatrehan’i Mosesy sy teo anatrehan’ireo lehibe, izay loham-pianakaviana tamin’ny Zanak’Israely hoe:
malagasy
[Lalàna ny amin'ny hanambadian'ny zazavavy mandova zara-tany] Dia nanatona ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny fokon'ny taranak'i Gileada, zanak'i Makira, zanak'i Manase, avy tamin'ny fokon'ny taranak'i Josefa, ka niteny teo anatrehan'i Mosesy sy ny lehibe, lohan'ny fianakaviana tamin'ny Zanak'Isiraely, ka nanao hoe: