Numbers 36:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Nodidian’i Iaveh ny tompoko hizara amin’ny filokana ny tany holovan’ny zanak’i Israely; nodidian’i Iaveh koa ny tompoko hanome ny lovan’i Salfaada rahalahinay, ho an’ny zanany vavy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka nanao hoe: –Efa nodidian’ny TOMPO hizara antsapaka ny tany ho an’ny Israelita ianao, ry Mosesy, ary efa nodidiany ihany koa hanome ny zara tanin’i Tselôfehada rahalahinay ho an’ny zanakavaviny.
Malagasy Bible 1865
Hianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hizara ny tany amin'ny filokana ho an'ny Zanak'Isiraely; ary ianao, tompokolahy, efa nodidian'i Jehovah hanome ny zara-tanin'i Zelofada rahalahinay ho an'ny zananivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hizara ny tany ho an’ny Zanak’Israely amin’ny antsapaka. Ary ianao, tompokolahy, dia efa nodidian’NY TOMPO hanome ny zaratanin’i Zelofada rahalahinay ho an’ny zanany vavy.
malagasy