Numbers 36:3 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa raha manambady ny zanakalahin’ny foko sasany amin’ny Zanak’Israely ireo dia hesorina amin’izay an’ny razanay ny zarataniny ka hanampy ny zaratanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zarataninay izay azonay tamin’ny antsapaka izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa raha manambady ny zanaka lahin’ny foko hafa amin’ny zanak’i Israely izy ireo, dia hoesorina amin’ny anjara lovan’ny razanay ny anjara lovany ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ka ho voaesotra amin’ny anjara lovanay.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha manambady lehilahy avy amin’ny foko israelita hafa ireo vehivavy ireo, dia hoesorina amin’ny zara tanin-drazanay ny zara taniny ka hanampy ny anjaran’ny foko izay hidirany izany, ary dia hampihena ny anjara izay azonay tamin’ny antsapaka.
Malagasy Bible 1865
Koa raha manambady ny zanakalahin'ny firenena sasany amin'ny Zanak'Isiraely ireo, dia hesorina amin'ny an'ny razanay ny zara-taniny ka hanampy ny zara-tanin'ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin'ny zara-taninay izay azonay tamin'ny filokana izany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa raha manambady ny zanakalahin’ny foko sasany amin’ny Zanak’Israely ireo dia hesorina amin’izay an’ny razanay ny zarataniny ka hanampy ny zaratanin’ny firenena izay hatoniny, dia hesorina amin’ny zarataninay izay azonay tamin’ny antsapaka izany.
malagasy