Numbers 36:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary raha tonga ny Jobilin’ny Zanak’Israely, ny zarataniny dia hanampy ny an’ny foko izay hatoniny, ary izay azy dia hesorina amin’ny zaratanin’ny razanay.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary rehefa tonga ny Jobily ho an’ny zanak’i Israely, ny lovany dia hanampy ny an’izay hidirany, ka halana amin’ny lovan’ny fokon-drazanay ny lovany.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa tonga manko ny taon-jôbily ho an’ny Israelita, ny zara tanin’ireo zanakavavin’i Tselôfehada dia hanampy ny an’ny foko izay hidirany, ary hoesorina tanteraka amin’ny zara tany azon’ny razanay.
Malagasy Bible 1865
Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary raha tonga ny Jobilin’ny Zanak’Israely, ny zarataniny dia hanampy ny an’ny foko izay hatoniny, ary izay azy dia hesorina amin’ny zaratanin’ny razanay.
malagasy
Ary raha tonga ny Jobilin'ny Zanak'Isiraely, ny zara-taniny dia hanampy ny an'ny firenena izay hatoniny, ary ny azy dia hesorina amin'ny zara-tanin'ny razanay.