Numbers 36:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no teny izay andidian’NY TOMPO ny amin’ny zanakavavin’i Zelofada: Mahazo manambady izay tiany izy, nefa avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany no hovadiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka izao no didin’i Iaveh ny amin’ny zanaka vavin’i Salfaada: hanambady izay tiany izy, nefa ny ao amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy ihany no ho vadiny;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no teny izay nandidian’ny TOMPO momba ny zanakavavin’i Tselôfehada: aoka izy hanambady izay tiany, nefa lehilahy ao amin’ny tarika nisy an-drainy ihany no hovadîny.
Malagasy Bible 1865
Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no teny izay andidian’NY TOMPO ny amin’ny zanakavavin’i Zelofada: Mahazo manambady izay tiany izy, nefa avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany no hovadiny.
malagasy
Izao no teny izay andidian'i Jehovah ny amin'ny zanakavavin'i Zelofada: Aoka izy hanambady izay tiany, nefa ny ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany no hovadiny.