Numbers 36:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zaratany eo amin’ny foko iray amin’ny Zanak’Israely dia hanambady lehilahy avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany mba hananan’ny Zanak’Israely rehetra ny zaratanin’ny razany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ka ny zazavavy rehetra manana lova eo amin’ny fokon’ny zanak’i Israely, dia samy hanambady ny anankiray amin’ny fianakavian’ny fokon-drainy avy, mba samy hahatana ny lovan-drazany avy ny zanak’i Israely rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny tovovavy rehetra, izay handova eo amin’ny foko israelita anankiray, dia hanambady lehilahy ao amin’ny tarika nisy an-drainy ihany. Izay no hitazonan’ny Israelita tsirairay avy ny zara tany azon’ny razany;
Malagasy Bible 1865
Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zara-tany eo amin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely dia hanambady ny anankiray ao amin'ny fokon'ny firenen'ny razany ihany, mba hananan'ny Zanak'Isiraely rehetra ny zara-tanin'ny razany avy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny zazavavy rehetra izay mandova zaratany eo amin’ny foko iray amin’ny Zanak’Israely dia hanambady lehilahy avy ao amin’ny fokon’ny razany ihany mba hananan’ny Zanak’Israely rehetra ny zaratanin’ny razany avy.
malagasy