Numbers 4:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy eo dia halainy ny fanaka rehetra fitondra manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ka hataony ao anaty lamba volon’ondry manga, ary hosaronany rakotra hoditra trozona, dia hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Halainy ny fanaka rehetra fanaovana ny fanompoana ao amin’ny fitoerana masina, ka hataony ao anatin’ny lamba jaky volomparasy sy hofonosiny firakotra hodi-dogaona, vao hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haka ny fanaka litorjika rehetra fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana ao amin’ny Toeramasina izy, ka hofonosiny lamba volomparasy sady horakofany lamba hoditra mafy, ary dia hapetrany amin’ny filanjana azy.
Malagasy Bible 1865
dia halainy ny fanaka rehetra enti-manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ka hataony ao anaty lamba volon'ondry manga ka hosaronany sarona hodi-takasy, dia hatainginy eo ambonin'ny filanjana azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy eo dia halainy ny fanaka rehetra fitondra manompo, dia izay fanaovany fanompoam-pivavahana ao amin’ny fitoerana masina ka hataony ao anaty lamba volon’ondry manga, ary hosaronany rakotra hoditra trozona, dia hapetrany eo ambonin’ny filanjana azy.
malagasy