Numbers 4:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny raharaha atao aminy, dia ny fatana, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny tavy ary ny fanaka rehetra momba ny ôtely; hovelarany firakotra hodi-dogaona eo amboniny ireo, vao hapetany eo ny baony.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra ilaina amin’ny fanaovan- tsorona, dia ny fitondrana afo, ny fitrebika, ny sotron’afo, ny zinga famafazana ary ny kojakoja rehetra momba ny alitara. Hovelarana ny lamba mafy eo ambonin’izany, ary hapetrany ny bao.
Malagasy Bible 1865
Ary hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fanaovana fanompoan-pivavahana eo, dia ny fitondran'afony sy ny fitrebiny sy ny sotron'afony ary ny loviany famafazana, dia ny fanaka rehetra momba ny alitara; ary hovelarany sarona hodi-takasy eo amboniny izy, dia hataony eo aminy ny baony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hapetrany eo amboniny avokoa ny fanaka rehetra momba azy, izay fampiasa amin’ny fanompoam-pivavahana, dia ny fitondrana afony, ny fitrebiny, ny sotron’afony ary ny loviany famafazana, dia ireo fanaka rehetra momba ny alitara; hovelarany rakotra hoditra trozona eo amboniny dia hataony eo aminy ny baony.
malagasy