Numbers 4:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa vitan’i Arona sy ireo zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ireo fanaka rehetra momba azy ka efa hifindra ny toby, dia izay vao ho avy ireo zanak’i Kehata hitondra azy; satria tsy hikasika ny fitoerana masina izy ireo sao ho faty. Izany no anjara asan’ireo taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa vitan’i Aarôna sy ny zanany ny fanaronana ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ka hifindra lasy, dia ho avy ny taranak’i Kaata hitondra azy; tsy hikasika ny zavatra masina anefa izy ireo, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano lay fihaonana izany, no ho anjara entan’ny taranak’i Kaata.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hifindra toby ny Israelita dia ho vitan’i Aharôna sy ny zanany ny famonosana ny Toeramasina sy ny fanaka rehetra momba ny Toeramasina, dia ho avy amin’izay ny taranak’i Kehàta hitondra azy. Tsy hikasika ny fitaovana masina mivantana izy sao maty. Izany no anjara entan’ny taranak’i Kehàta ny amin’ny Tranolay fihaonana.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa vitan'i Arona sy ny zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ny fanaka rehetra momba azy, ka efa hifindra ny toby, dia vao izay no ho avy ny zanak'i Kehata hitondra azy; fa tsy hikasika ny fitoerana masina izy, fandrao maty. Izany zavatra momba ny trano-lay fihaonana izany no ho anjara entan'ny taranak'i Kehata.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa vitan’i Arona sy ireo zanany ny manarona ny fitoerana masina sy ireo fanaka rehetra momba azy ka efa hifindra ny toby, dia izay vao ho avy ireo zanak’i Kehata hitondra azy; satria tsy hikasika ny fitoerana masina izy ireo sao ho faty. Izany no anjara asan’ireo taranak’i Kehata ao amin’ny tranolay fihaonana.
malagasy