Numbers 4:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia hanara-maso ny diloilo hatao fanazavana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fanao isanandro ary ny diloilo fanosorana; hanara-maso ny tabernakely manontolo sy izay rehetra ao anatiny izy, ao amin’ny fitoerana masina sy ireo fanaka momba azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, no hitandrina ny diloilon’ny fanaovan-jiro, ny zava-manitra mani-pofona, ny fanatitra tsy tapaka ary ny diloilo fanosorana, dia hitandrina ny Fonenana manontolo mbamin’izay rehetra ao anatiny, ny fitoerana masina mbamin’ny fanaka rehetra momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Elehazara zanakalahin’i Aharôna mpisorona no miandraikitra ny diloilon-jiro, ny ditin-kazo manitra, ny fanatitra hohanina fanao isan’andro ary ny diloilo fanosorana; miandraikitra ny Fonena-masina manontolo sy ny ao anatiny rehetra izy, na ny fitaovana masina izany na ny kojakoja rehetra momba azy.
Malagasy Bible 1865
Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, dia hanara-maso ny diloilo hatao fanazavana, ny ditin-kazo mani-pofona, ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry fanao isanandro ary ny diloilo fanosorana; hanara-maso ny tabernakely* manontolo sy izay rehetra ao anatiny izy, ao amin’ny fitoerana masina sy ireo fanaka momba azy.
malagasy
Ary ny raharahan'i Eleazara, zanak'i Arona mpisorona, dia ny diloilo hatao fanazavana sy ny ditin-kazo mani-pofona sy ny fanatitra hohanina fanao isan'andro ary ny diloilo fanosorana, dia ny raharaha rehetra amin'ny tabernakely sy izay rehetra ao anatiny amin'ny fitoerana masina sy ny fanaka momba azy.