Numbers 4:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no ataovy amin’izy ireo, mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: i Aarôna sy ny zanany ihany no hiditra, dia hanome azy ireo ny anjara raharaha sy anjara entany tsirairay avy,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no hataonareo aminy mba hahavelona fa tsy hahafaty azy raha manakaiky izay fitaovana masina indrindra izy: i Aharôna sy ny zanany ihany no hametraka azy ireo amin’ny andraikiny sy amin’izay tokony hoentiny avy.
Malagasy Bible 1865
fa izao no hataonareo aminy, mba ho velona izy ka tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: Arona ny ny zanany ihany no hahazo miditra ka hanendry azy rehetra samy ho amin'ny fanompoany avy sy amin'ny entany avy;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no hataonareo aminy mba ho velona izy fa tsy ho faty, raha manatona ny zavatra masina indrindra: I Arona sy ireo zanany no ho avy ka hanendry ny olona samy ho amin’izay fanompoany sy ny asany avy.
malagasy