Numbers 4:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ny tenin’i Arona sy ireo zanany no hanaovan’ny Gersonita ny fanompoany amin’ny fitondrana ny entana sy ny fanompoany rehetra; hatolotrao azy ho anjara raharahany ny zavatra rehetra izay entiny.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Aarôna sy ny zanany no handahatra ny raharaha rehetra hataon’ny taranaky ny Gersônita momba ny zavatra rehetra hoentiny sy ny zavatra rehetra hataony; homenareo hotandremany ny zavatra rehetra tsy maintsy entiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Araka ny baikon’i Aharôna sy ny zanany no hanaovan’ny Gersônita ny asa fanompoany, na momba ny fitondrana ireo entana izany, na momba ny fanatanterahana ny asa. Izy telo mianaka no hiteny aminy izay tokony hataony sy izay tokony hoentiny.
Malagasy Bible 1865
Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ny tenin’i Arona sy ireo zanany no hanaovan’ny Gersonita ny fanompoany amin’ny fitondrana ny entana sy ny fanompoany rehetra; hatolotrao azy ho anjara raharahany ny zavatra rehetra izay entiny.
malagasy
Araka ny tenin'i Arona sy ny zanany no hanaovan'ny Gersonita ny fanompoany amin'ny entany rehetra sy ny fanompoany rehetra; ary hatolotrao azy ho anjara-raharahany ny zavatra rehetra izay ho entiny.