Numbers 4:32 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra mbamin’ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao. Araka ny anarany avy no hanisanareo ny fanaka, izay anjara entany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny andry amin’ny kianja manodidina azy, ny faladian’ireo, ny tsîmany, ny kofehiny, mbamin’ny fanaka rehetra momba azy, ary ny zavatra rehetra ilaina aminy. Tano an-tsoratra ny anaran’ny zavatra nomeny hoentiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ny andrin’ny fefin’ny kianja mbamin’ny faladiany, ny tsatòka sy ny tady ary ny kojakoja rehetra ho an’ny fanompoany. Atao lisitra ny anaran’ireo zavatra izay hoentin’ny tsirairay avy.
Malagasy Bible 1865
sy ny tsangantsangan'ny kianja manodidina sy ny faladiany sy ny tsimany rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra sy ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao; ary araka ny anarany avy no handaminanareo ny fanaka izay anjarany ho entina.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ireo andrin’ny kianja manodidina sy ny faladiany, ny tsatòkan-day rehetra ary ny kofehy momba ny fiasana rehetra mbamin’ny zavatra rehetra enti-manao fanompoana ao. Araka ny anarany avy no hanisanareo ny fanaka, izay anjara entany.
malagasy