Numbers 4:49 — Compare Translations

5 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Araka ny didin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ny fanompoany avy sy ny anjara entany avy. Nomena andraikitra araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Noho ny didy nomen’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy no nanaovana izany fanisana izany sy nanomezana azy tsirairay ny fanompoana tsy maintsy hataony sy ny entana tsy maintsy hoentiny avy, ka dia voaisa araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy izy ireo.
Malagasy Bible 1865
Araka ny didin'i Jehovah izay nampitondrainy an'i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin'ny fanompoany avy sy ny anjara-entany avy ary ny zavatra nalamina araka izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Araka ny didin’NY TOMPO nampitondrainy an’i Mosesy no nandaminany azy samy ho amin’ny fanompoany avy sy ny anjara entany avy. Nomena andraikitra araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ireo.
malagasy