Numbers 4:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa hiainga ny toby dia hiditra i Arona sy ireo zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana, ary hasarony ny vata misy ny Vavolombelona izany;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Rehefa hifindra lasy, dia i Aarôna sy ny zanany aloha no ho avy hampidina ny lamba fanakonana, ka ny fiaran’ny vavolombelona, dia hosaronany amin’io;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Rehefa hiainga ny Israelita dia ho avy i Aharôna sy ny zanany hanala ny lamba mampisaraka amin’ny Toeramasina ka handrakofany ny Vatamasina misy ny Didy folo;
Malagasy Bible 1865
Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa hiainga ny toby dia hiditra i Arona sy ireo zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana, ary hasarony ny vata misy ny Vavolombelona izany;
malagasy
Ary raha hifindra ny toby, dia hiditra Arona sy ny zanany ka hampidina ny efitra lamba fanakonana; ary hasarony ny fiaran'ny Vavolombelona'izany;