Numbers 4:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Hovelarany lamba jaky eo ambonin’io ka hosaronany amin’ny rakotra hoditra trozona izany, dia hataony eo aminy ny baony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo ambonin’izany rehetra izany no hamelarany lamba jaky izay horakofany lamba hoditra manify; izay vao hapetrany ny bao filanjana ny latabatra.
Malagasy Bible 1865
Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Hovelarany lamba jaky eo ambonin’io ka hosaronany amin’ny rakotra hoditra trozona izany, dia hataony eo aminy ny baony.
malagasy
Dia hovelarany lamba jaky eo amboniny izy, ka hosaronany amin'ny sarona hodi-takasy izany; dia hataony eo aminy ny baony.