Numbers 4:9 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Haka lamba volon’ondry manga indray izy ka hasarony ny fitoeran-jiro fanazavana, ireo jirony, hetin-jirony sy fitoeran-davenon-jirony ary ireo fitaovany fitoeran-diloilo rehetra, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Haka lamba jaky volomparasy izy ireo handrakofany ny fanaovan-jiro mbamin’ny lalampiny, ny hetin-jirony, ny fitoeran-davenon-jirony, ny fitoeran-diloilo fanao aminy, sy izay ilaina aminy;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Haka lamba volomparasy izy handrakofany ny fitoeran-jiro mbamin’ny jiro sy ny kojakojany rehetra: dia ny hetin-jiro sy ny fitoeran-davenona ary ny tavoaran-diloilo.
Malagasy Bible 1865
Dia haka lamba volon'ondry manga izy, ka hasarony ny fanaovan-jiro fanazavana sy ny lela fanaovan-jirony sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony ary ny fitoeran-diloilo rehetra eo, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Haka lamba volon’ondry manga indray izy ka hasarony ny fitoeran-jiro fanazavana, ireo jirony, hetin-jirony sy fitoeran-davenon-jirony ary ireo fitaovany fitoeran-diloilo rehetra, izay anaovana ny fanompoam-pivavahana;
malagasy