Numbers 5:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-barimbazaha ampahafolon’ny efaha. Tsy handrarahany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny, ka hitondra fanatitra noho ny amin’ny vavy izy, dia lafarina orja ampahafolon’ny efah, tsy hanidinana diloilo izany na hasiana emboka manitra, satria fanati-piahiahiana, fanati-pahatsiarovana, mampahatsiaro heloka io.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Na ahoana na ahoana, dia hitondra ny vadiny eo amin’ny mpisorona ralehilahy ka hanolotra fanatitra noho ny amin-dravehivavy, dia lafarinina ôrza telo kilao. Tsy handrarahany menaka io lafarinina io sady tsy hasiany vovo-javamanitra satria fanatitra noho ny fahasaropiaro, fanati-piampangana natao hanehoana fahadisoana.
Malagasy Bible 1865
dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia hoentin’ny lahy ho eo amin’ny mpisorona ny vadiny ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-barimbazaha ampahafolon’ny efaha*. Tsy handrarahany diloilo izany sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.
malagasy
dia ho entin'ny lahy ho eo amin'ny mpisorona ny vadiny, ary hitondra ny fanatiny noho ny vavy izy, dia kobam-bary hordea ampahafolon'ny efaha; tsy hanidinany diloilo izany, sady tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, satria fanatitra noho ny ahiahy izany, dia fanati-pahatsiarovana, hampahatsiaro heloka.