Numbers 5:18 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hatsangan’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO Ravehivavy ka harakarakany ny volon-dohan-dRavehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ho eo an-tanan’ny mpisorona ny rano mangidy izay mitondra ozona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hasain’ny mpisorona mitsangana eo anatrehan’i Iaveh ny vehivavy, harakarakany ny volon-dohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, fanati-piahiahiana izany. Ary ho eo an-tanan’izy mpisorona kosa ny rano mangidy mitondra ozona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Harakorakon’ny mpisorona ny volon’ilay vehivavy miseho eo anatrehan’ny TOMPO, ary hapetrany eo am-pelatanany ny fanati-piampangana, izany hoe ny fanati-pahasarotam-piaro. Fa ny mpisorona kosa hitana ny rano mangidy izay mitondra ozona.
Malagasy Bible 1865
ary ravehivavy dia hampitoeran'ny mpisorona eo anatrehan'i Jehovah, ka harakarakany ny volondohan-dravehivavy, ary hataony eo an-tànany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ary ho eo an-tànan'ny mpisorona ny ranom-pangidiana izay mitondra ozona;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hatsangan’ny mpisorona eo anatrehan’NY TOMPO Ravehivavy ka harakarakany ny volon-dohan-dRavehivavy, ary hataony eo an-tanany ny fanati-pahatsiarovana, dia ny fanatitra noho ny ahiahy; ho eo an-tanan’ny mpisorona ny rano mangidy izay mitondra ozona.
malagasy