Numbers 5:19 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona ka hiteny aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao ka tsy nivaona tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana ianao dia aoka ho afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao;
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia handidy an-dravehivavy ny mpisorona, ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily hanao fahalotoana ianao, raha mbola eo am-pelatanan’ny vadinao dia afàha amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hampianiana an-dravehivavy izy ka hanao aminy hoe: «Raha tsy marina fa nisy lehilahy niray taminao ka nandoto anao tamin’ny fanitsakitsahanao ny vadinao, dia afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao.
Malagasy Bible 1865
dia hampianiana an-dravehivavy ny mpisorona ka hanao aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao, ka tsy nivily niala tamin'ny vadinao ho amin'ny fahalotoana ianao, dia afaka amin'ity ranom-pangidiana mitondra ozona ity;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hampianiana an-dRavehivavy ny mpisorona ka hiteny aminy hoe: Raha tsy nisy lehilahy nandry taminao ka tsy nivaona tamin’ny vadinao ho amin’ny fahalotoana ianao dia aoka ho afaka amin’ity rano mangidy mitondra ozona ity ianao;
malagasy