Numbers 5:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dRavehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hasandrany eo anatrehan’NY TOMPO izany ka hatolony eo amin’ny alitara.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Dia halain’ny mpisorona ny fanati-piahiahiana teny an-tanan-dravehivavy ka hahevahevany eo anatrehan’i Iaveh sy hoentiny eo akaikin’ny ôtely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Alohan’ny hanomezana rano an-dravehivavy, dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dravehivavy ny fanati-pahasaropiaro, dia hahevahevany eo anatrehan’ny Tompo ary hoentiny eo amin’ny alitara.
Malagasy Bible 1865
Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia halain’ny mpisorona eo an-tanan-dRavehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hasandrany eo anatrehan’NY TOMPO izany ka hatolony eo amin’ny alitara.
malagasy
Dia halain'ny mpisorona eo an-tànan-dravehivavy ny fanatitra noho ny ahiahy; ary hahevahevany eo anatrehan'i Jehovah izany ka hateriny eo amin'ny alitara.