Numbers 5:26 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia horaofin’ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara; rehefa afaka izany, vao hampisotroiny io rano io Ravehivavy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary handraofany eran-tanana ila hatao fanati-pahatsiarovana izany fanatitra izany, ka hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely; raha efa izany dia hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hangalan’ny mpisorona eran’ny tanana, ho fampahatsiarovana ny TOMPO izany fanatitra izany ka hodorany hanetona eo amin’ny alitara; izay vao hampisotroiny an-dravehivavy ny rano.
Malagasy Bible 1865
Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia horaofin’ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin’ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara; rehefa afaka izany, vao hampisotroiny io rano io Ravehivavy.
malagasy
Dia horaofin'ny mpisorona ny fanati-pahatsiarovana avy amin'ny fanatitra ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara; ary rehefa afaka izany, dia hampisotroiny io rano io ravehivavy.