Numbers 5:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa raha toa ka tsy manana havana mpanavotra hanaterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona dia ho an’NY TOMPO ny zavatra naterina ho fanonerana ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovan’ny mpisorona fanavotana ho azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary raha tsy manana solony io olona io, izay azo amerenana ny zavatra azo tamim-pahotana, dia ho an’i Iaveh izany zavatra izany, ho an’ny mpisorona, miaraka amin’ny ondralahy fanonerana, izay hanaovana ny fanonerana ho an’ilay meloka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Raha tàhiny maty ilay tompon-javatra sady tsy manan-kavana akaiky hahazoana manonitra ilay zavatra, dia homena ny TOMPO io, izany hoe ho an’ny mpisorona; manginy fotsiny ny ondrilahy hatao sorom-panonerana ka hanaovana fombam-pivavahana famelan-keloka.
Malagasy Bible 1865
Fa raha tàhiny tsy manana havana akaiky haterany ny fanonerana ny amin'ny fahadisoany ilay olona, ny zavatra naterina ho fanonerana dia ho an'i Jehovah ka ho an'ny mpisorona, ho fanampin'ny ondrilahy fanavotana izay hanaovany fanavotana ho azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa raha toa ka tsy manana havana mpanavotra hanaterany ny fanonerana ny amin’ny fahadisoany ilay olona dia ho an’NY TOMPO ny zavatra naterina ho fanonerana ka ho an’ny mpisorona, ho fanampin’ny ondrilahy fanavotana izay hanaovan’ny mpisorona fanavotana ho azy.
malagasy