Numbers 6:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hanokana ho an’NY TOMPO ny andro fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona, ho fanati-panonerana; fa ho very ireo andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Hanokana ho an’i Iaveh ny andro haha-nazareàna azy, ary hanatitra zanak’ondry anankiray, efa iray taona, izy, ho fanati-panonerana; ary ny andro teo aloha dia ho very noho ny fitokanany efa voaloto.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hamerina tanteraka indray ny fanokanan-tenany ho an’ny TOMPO izy, ka hitondra ondrilahy iray taona izy ho sorom-panonerana. Tsy hoisaina ireo andro teo aloha satria voaloto ny naha nazirita azy.
Malagasy Bible 1865
Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hanokana ho an’NY TOMPO ny andro fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona, ho fanati-panonerana; fa ho very ireo andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany.
malagasy
Dia hanokana ho an'i Jehovah ny androny fitokanany izy ka hitondra ondrilahy iray izay iray taona ho fanati-panonerana; fa ho very ny andro teo aloha, satria voaloto ny fitokanany