Numbers 6:15 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary mofo tsy misy masirasira iray harona, mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo, mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary koa mofo tsy misy lalivay iray harona, mofomamy natao tamin’ny lafarina tsara indrindra voadity tamin’ny diloilo, mofo manify tsy misy lalivay voaidina diloilo, mbamin’ny fanatitra sy ny fanatitra araraka.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Hitondra mofo tsy misy leviora iray harona koa izy, dia mofomamy nofetaina menaka sy mofo manify tsy misy leviora sady voahoso-menaka mbamin’ny fanatitra lafarinina sy divay ampombaina ny sorona.
Malagasy Bible 1865
ary mofo tsy misy masirasira iray harona, dia mofo atao amin'ny koba tsara toto voaharo diloilo sy mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo, mbamin'ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina momba azy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary mofo tsy misy masirasira iray harona, mofo atao amin’ny koba tsara toto voaharo diloilo, mofo manify tsy misy masirasira sady voahosotra diloilo, mbamin’ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry sy ny fanatitra aidina ampombaina azy.
malagasy