Numbers 6:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an’NY TOMPO; hoentiny koa ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin’ny mpisorona koa ny fanatitra avy amin’ny zavamaniry izay noentiny sy ny fanatiny aidina.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia hatolony ny ondralahy ho fanati-pihavanana amin’i Iaveh, mbamin’ny mofo tsy misy lalivay iray harona, ary hataon’ny mpisorona ny fanatitra amam-panatitra araraka momba azy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny ondrilahy kosa dia hatolony amin’ny TOMPO ho sorom-pihavanana miaraka amin’ny mofo tsy misy leviora iray harona. Ary hatolony farany ny fanatitra lafarinina sy divay.
Malagasy Bible 1865
dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
dia hateriny ny ondrilahy ho fanati-pihavanana ho an'i Jehovah mbamin'ny mofo tsy misy masirasira iray harona; ary haterin'ny mpisorona koa ny fanatitra hohaniny sy ny fanatitra aidiny.