Numbers 6:20 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hataon’ny mpisorona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo; masina ho an’ny mpisorona izany, ho fanampin’ny tratrany nasandratra sy ny feny nalaina avy amin’ny fanatitra; aorianan’izany kosa dia mahazo misotro divay ny Nazirita.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia hahevahevan’ny mpisorona eo anatrehan’i Iaveh ireo. Zava-masina anjaran’ny mpisorona izany, fanampin’ny tratra ahevaheva, sy ny fe avahana koa. Aorian’izany, dia mahazo misotro divay ny nazareàna.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia hasehon’ny mpisorona amin’ny TOMPO ireo sady hahevahevany ho fanolorana azy; zava-masina miverina amin’ny mpisorona ihany izany, fanampin’ny tratra nahevahevany sy ny fen’ondry navahany. Rehefa izany vao mahazo misotro divay indray ilay nazirita afa-boady.
Malagasy Bible 1865
Dia hahevahevan'ny mpisorona ireo ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; ho masina izany ho an'ny mpisorona ho fanampin'ny tratra ahevaheva sy ny soroka asandratra; ary rehefa afaka izany, dia vao mahazo misotro divay ny Nazirita.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia hataon’ny mpisorona fanatitra asandratra eo anatrehan’NY TOMPO ireo; masina ho an’ny mpisorona izany, ho fanampin’ny tratrany nasandratra sy ny feny nalaina avy amin’ny fanatitra; aorianan’izany kosa dia mahazo misotro divay ny Nazirita.
malagasy