Numbers 6:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay mivoady hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
«Izany no lalàna ny amin’ny nazareàna izay nivoady, izany no fanatiny ho an’i Iaveh amin’ny maha nazareàna azy, afa-tsy izay azony atao araka ny ananany. Araka ny voady nataony no hanatanterahany ny lalàna ny amin’ny maha nazareàna azy.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
«Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay nivoady; izany no fanomezana atolony ho an’ny TOMPO noho ny naha nazirita azy, ankoatra izay mety ho takatry ny fananany. Hanaraka ny voady notononiny izy amin’izany, ka hanao araka ny lalàna momba ny fanokanan-tena nirosoany.»
Malagasy Bible 1865
Izany no lalàna ny amin'ny Nazirita, izay mivoady hitondra fanatitra ho an'i Jehovah noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin'ny fitokanany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izany no lalàna ny amin’ny Nazirita izay mivoady hitondra fanatitra ho an’NY TOMPO noho ny fitokanany, afa-tsy izay zavatra hafa tratry ny ananany; araka ny voady izay nivoadiany no hataony, araka ny lalàna ny amin’ny fitokanany.
malagasy