Numbers 6:5 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mandritra ny fotoana rehetra nivoadiny ho nazareàna, dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro itokanany ho hajan’i Iaveh, dia ho masina izy, ka havelany haniry ho azy ny volon-dohany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mandritra ny fotoana rehetra anaovany voady, dia tsy hihety volo na hiharatra izy; fa mandra-pahatapitry ny fotoana izay hitokanany tena ho an’ny TOMPO, dia ho masina izy ka hamela ny volon-dohany sy ny volom-bavany haniry.
Malagasy Bible 1865
Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Amin’ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an’NY TOMPO dia ho masina izy ka havelany haniry ny volon-dohany.
malagasy
Amin'ny andro rehetra izay nivoadiany hitokana dia tsy hokasihin-kareza ny lohany; mandra-pahatapitry ny andro izay nitokanany ho an'i Jehovah dia ho masina izy, ka havelany haniry ny volondohany.